current location : Lyricf.com
/
Songs
/
Dulce [Malagasy translation]
Dulce [Malagasy translation]
turnover time:2024-04-27 13:11:50
Dulce [Malagasy translation]

Mamy.Mamy no anarany

Mitsiky foana,

Ambony fisainana sady tsara tarehy

Fa ny ray sy reniny

Ahoana no handraisan'izy ireo

Hoe mitoe-jaza izy

Izay sady tanora ,sahiran-tsaina,irery

Aza mitomany intsony Malala,

Tsy mahasitrana anao izany

Mila mahery ianao

Ho anao sy ny zanakao

Dia aza manamelo-tena

Nariany ianao sady tsy norarahiany

Tsy mora izany,ekeko

Tsy mora izany vehivavy izany

Mamy a,Tsisy olona te hanampy anao

Mitsara anao no ataon'izy ireo

Tsy tia anao ilay olon-tianao,tsisy ilana azy izy

Mbola ho eken'ny ray sy reninao hoe

tsy hitanao ny kilalao sy ny lainga nataon'iny mpamitaka iny anao

Aza mitomany intsony Malala,

Tsy mahasitrana anao izany

Mila mahery ianao

Ho anao sy ny zanakao

Dia aza manamelo-tena

Nariany ianao sady tsy norarahiany

Tsy mora izany,ekeko

Tsy mora izany vehivavy izany

Fafao ny ranomaso

Manandanja ianao

Ambony jerena fa misy dikany ianao

Aza mitomany intsony Malala,

Tsy mahasitrana anao izany

Mila mahery ianao

Ho anao sy ny zanakao

Dia aza manamelo-tena

Nariany ianao sady tsy norarahiany

Tsy mora izany,ekeko

Tsy mora izany vehivavy izany

Comments
Welcome to Lyricf comments! Please keep conversations courteous and on-topic. To fosterproductive and respectful conversations, you may see comments from our Community Managers.
Sign up to post
Sort by
Show More Comments
Prince Royce
  • country:United States
  • Languages:Spanish, English
  • Genre:Latino, Pop, Singer-songwriter
  • Official site:http://princeroyce.com/
  • Wiki:http://en.wikipedia.org/wiki/Prince_Royce
Prince Royce
Latest update
Copyright 2023-2024 - www.lyricf.com All Rights Reserved